Actualités

Mpampianatra mpikaroka Hitohy anio ny fitokonana


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Hitohy anio alakamisy 07 Oktobra rehefa niato kely omaly ny fitokonana faobe tontosain’ireo mpampianatra mpikaroka, eny Ankatso. Eo amin’ny esplanade toy ny niseho ny talata teo, fotoana nanombohan’ny fitokonana ihany no hifamotoana izy ireo manomboka amin’ny 10 ora, araka ny fanazavana azo.

Mpampianatra mpikaroka 200 mahery raha tsiahivina no tonga nanohana ny hetsika, notarihin’ny SECES (sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony) ny talata lasa teo. Manaporofo izany fa tena miray hina ny rehetra manoloana ny fitakiany ny fampiharana ireo didim-panjakana voasonia ny 06 Oktobra 2009 ho fanatsarana ny asa fampianarana. Lohalaharana amin’izany ny fandoavana ny tambinkarama, ny ampahany voalohany amin’ny ora fanampiny tamin’ity taona ity ary ny famoahana ny vola fampandehanan-draharaha. Ny ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, ny fakiolten’ny Teny sy Haisoratra ary ny Siansa maha olona no tena mavitrika amin’ny fitarihana sy fandraisana anjara amin’ity fitokonana ity amin’ny ankapobeny ampian’ny ao amin’ny fakiolten’ny fitsaboana. Na izany aza anefa dia misy ihany ireo mpampianatra avy amin’ireo fakiolte sy sekoly hafa eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo tonga manohana izany. Tsara ny manamarika fa tsy ny eto amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany no mitokona ny mpampianatra. Efa misy ihany koa ny any amin’ny faritra toy ny ao Mahajanga sy Toliara. Nilaza moa ireo any amin’ny faritra Atsimo fa ny hanohy ny fitokonana hatrany mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo. Ho hita eo ihany ny tohiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT