Mpampianatra iray mamo avy nifety handeha hody no naolana roalahy, ny alin’ny zoma teo, tokony tamin’ny 8 ora sy sasany tany ho any, tany amin’ny kaominina Ankililoaka Toliara II
. Nisahotaka ny teo amin’ny manodidina rehefa niantso vonjy ity vehivavy ity. Nitsoaka ka mbola karohina amin’izao ireo nahavanon-doza. Nandeha nody tsy nisy takon-kenatra intsony ity « maitresse » mbola mpitovo ity. Raha ny loharanom-baovao dia efa misy ny olona ahiahian’ny fianakaviana tamin’ity herisetra ara-nofo mamohehatra ity, dia tsy iza izany fa ilay sipan’ity tovovavy mpanabe ity teo aloha ihany, noho ny vava navoakany, taorian’ny disadisa teo amin’ny ray aman-drenin’ny roa tonta noho ny ady tany, ka tsy maintsy nisaraka ireto mpifankatia.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.