Mitaraina ireo maître FRAM fa hatramin’izao izy ireo dia tsy mbola naharay akory ny tambin-karamany (subvention) izay ny fanjakana no manome azy io. Araka ny fanazavana dia efa nitety ny ambaratonga rehetra izy ireo nanontany ny antony mahatonga izany kanefa dia voarirarira hatrany.
“Raha nanontany tao amin’ny DREN Analamanga izahay dia nilaza ny tompon’andraikitra tao fa ny taratasy rehetra momba anay dia efa vonona avokoa fa miandry an-dry zareo ao ambony. Ny tao amin’ny banky BFV izay fandraisanay io vola io moa dia nilaza fa ny lisitra efa ao amin-dry zareo fa ny seky no tsy nampiarahany taminy. Raha nandalo sy nanontany tao amin’ny tale misahana ny mpiasa ao Analakely indray izahay ka nanatona ny tomponandraikitra amin’izany dia namaly ry zareo fa efa vita ihany koa na ny lisitray hatramin’ny volana oktobra aza fa miandry an’andriamatoa Andry Rajoelina hamoaka ny vola fa mivangongo any aminy ny volam-panjakana amin’izao”, hoy ireto maître FRAM ireto. Tsy nijanona teo anefa izy ireo fa niala nenina, ka nanatona ny sekretera jeneralin’ny ministra indray. Nampanantena azy ireo ity tomponandraikitra ity fa efa milamina raha ny any amin-dry zareo fa mety ho olana any amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola. Nandeha tany amin’io ministera io ireo maître FRAM, ka ny tao indray no naniraka ho ao amin’ny Trésor ka ny valin-teny farany azon’izy ireo tao dia hoe : «mbola lany any Ivato anaovana Conférence Nationale daholo ny vola».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.