Niverina nitokona indray ireo mpampianatra FRAM eto amin'ny DREN Analamanga.
Nanomboka ny alarobia lasa teo izany ary tsy hifarana raha tsy misy vokatra, raha araka ny fanazavan'izy ireo. Anton'ny fitokonana moa raha araka ny fanazavan-dRandrianjafy filohan'ny sendikan'ny ANEFA ny tsy mbola namalian'ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny hetahetan'izy ireo. Anisan'izany ny fandraisana ho mpampianatra mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM mbola tsy nahazo toerana, ny tokony handoavan'ny fanjakana ihany koa ny fanampiana ireo mpampianatra eny amin'ny CEG sy lycée efa ho 12 volana izao raha 5 volana ny an'ireo mpampianatry ny sekoly ambaratonga fototra. Miantso ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany izy ireo araka izany mba hijery akaiky ny mikasika ireo fitakiana ireo. Raha sanatria tsy misy moa ny vokatra, hoy ihany izy ireo dia hanakatona ny varavaran-tsekoly rehetra eto an-drenivohitra izy ireo amin'ny talata ho avy izao ary ezahina hiparitaka manerana an'i Madagasikara izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.