Tsy mbola voavaha ny olan’ny Sempama satria betsaka tamin’izy ireo no tapaka karama na nigrevy io na tsia.
Mahatsiaro ho mbola iharan’ny antsojay ireo mpampianatra, fa nisy sasany tamin’izy ireo ny nandeha nandadilady tany amin’ny ministera ka efa nahazo ny anjarany. Na izany aza, nanamafy ny avy ao amin’ny Sempama fa tsy hitsahatra ny tolona raha tsy mivaly avokoa ny fangatahana vao hitsahatra ny hetsika. Dia mandrangaranga fitokonana sahady koa ny mpampianatra FRAM noho ny tsy mbola nahazoan’ny sasany amin’izy ireo ny tambin-karamany sy ny tsy naharaikitra indray ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana izay tokony ho tamin’ny volana aogositra teo, nefa ity ny taom-pianarana vaovao 2012-2013 efa hanomboka ny 8 oktobra izao.
Misy amin’ireo mpampianatra FRAM ireo no tsy nandray izany nanomboka tamin’ny volana mey 2012 no ho mankaty. Maneho ny tsy hafaliany, araka izany, ireto mpampianatra ireto satria io tambin-karama tokony horaisiny isaky ny roa volana io no entiny hampidirany ny zanany an-tsekoly. Tsy tokony ho ny zana-bahoaka no hibaby ny tsy filaminana amin’ny asa eny ifotony. “Toky fitaka fa ny atao ro hita”. Dia tsy hianatra indray izany ny zana-bahoaka ! Ireto mpampianatra ireto no maro an’isa mampihodina ny asa fanabeazana eto amintsika. Mikasika izay fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana izay dia mametraka ny ahiahiny ihany izy ireo noho ny fampitsaharan’ny fanjakana izany. “Dia ho fampanantenana poak’aty toy ny teo aloha foana ve ?”, hoy ireto FRAM Toliara ireto nametra-panontaniana.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.