Velon-taraina ireo mpampianatra FRAM mandray tambikarama amin’ny Fanjakana saingy tsy mbola isan’ireo noraisina ho mpiasam-panjakana.
Tamin’ny volana mey 2015 izy ireo no nandray tambikarama farany, enim-bolana aty aoriana tsy hita hantenaina, tsy very hafoy ny zon’izy ireo. Aloa isan-droa volana io tambikarama io ka 220.000 Ariary isan’olona no raisina amin’izany. Manao antso avo ireo mpampianatra FRAM ireo mba hamahana ny olan’izy ireo, satria maro no bokan’ny trosa amin’ny fiahiana ny fiainam-pianakaviana amin’ny hanin-hohanina, ny hofantrano sy ny faktioran’ny Jirama, ny fahasalamana ary ny fianaran’ny ankizy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.