Actualités

Mpampianatra amin’ny EPP ao Toliara «Aza tapenam-bava izahay !»


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Efa ho herinandro maro izao no niteny ny fitakiany teo anivon’ny tompon’andraikitra sy ireo manampahefana tany an-toerana ireo mpampianatra amin’ny EPP ao Toliara, saingy tsy misy mangirana mihitsy ny amin’ny fijerena ny vahaolana hatramin’izao araka ny nambaran’ny solontenan’ireto mpampianatra amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ireto.

Anton’izao fitakiana izao moa ny fahatarana lava eo amin’ny resaka «avancement» sy ny karama isam-bolana, izay ambaran’izy ireo fa kely loatra ary tsy ampy hiatrehana ny fiainana amin’izao fotoana izao intsony. Ny mampalahelo ireto mpampianatra ao Toliara ireto anefa dia toa minia tsy mahita izany olana mianjady eo amin’izy ireo izany mihitsy ireo tompon’andraikitra any an-toerana, ka izay no antony hanairan’izy ireo ny ao amin’ny ministeran’ny fanabezana mivantana mihitsy. Efa mahalala tsara ny zava-misy ny ministera, hoy ny solontenan’ireto mpampianatra mitaky ny zony ao Toliara ireto, ka andrasana izay mety ho fanapahan-kevitra ho famahana ny olana. Nilaza koa moa ireto mpampianatra amin’ny EPP ao Toliara ireto fa tsy nahazo «convocation» ho amin’ny fitsarana ny CEPE izy ireo ; ka izany indrindra no mampametra-panontaniana azy ireo hoe : inona marina ary no tiana hahatongavana eto ? Iza izany no hitsara ny fanadinana ?

Dia sanatria ve izay rehetra mitaky ny zony dia ailika avy hatrany, fa tsy mba misy mihitsy ny fifampidinihana sy fifampiresahana ? Nilaza ho diso fanantenana tanteraka amin’ny fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina ireto mpampianatra ireto, satria maro ny fampanantenana, ho amin’ny fanatsarana sy fanovana, hoy izy ireo, saingy toa fampahantrana sy fampahoriana indray no hita amin’izao fotoana. Nisintona ny sain’ny mpitondra amin’izao fotoana moa ireto mpampianatra ireto fa tsy tokony hatao ambanin-javatra ity fitakian’ny mpampianatra ao Toliara ity, satria mety ho erikerika mahatondra-drano ihany ny hetsika ny farany rehefa mody fanina lava tahaka ny ataony amin’izao fotoana ny manampahefana. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT