Actualités

Mpamosavy malemy


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Hafahafa ihany ny raharaha kapiteny Falihery, ilay manamboninahitra maty nisy nitifitra tany Betroka.

 
 Maro ny resaka manodidina iny tranga iny ary matevintevina ihany ny ahiahy. Ahiahy fa sao dia ny ao an-trano ihany no mpamosavy, ahiahy ny amin’ny paikady avo lenta hanakonana ny marina momba ny asan-dahalo any Betroka, ahiahy ny amin’ny mbola hitomboan’ny miaramila matin’ny dahalo. Mampanantena hanadihady ny tompon’andraikitra. Fa ahoana ny tohiny ary ahoana ny momba ireo raharaha nahafatesana miaramila hatramin’ny andron-dry Remenabila ? Zovy no tsy mahalala ? Iza no tsy mahafantatra fa manampahefana sy olom-panjakana ireo dahalo ambony latabatra ? Izay no mah sarotra ny famongorana ny asan-dahalo eto. Mbola misy anefa ny olona sahy mijoro ka ireny no tokony hotohanana sy ampian’ny fanjakana. Tononina manokana ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha tena hiady amin’ny asan-dahalo ihany izy, fa tsy mionona fotsiny amin’ny tatitra efa namboamboarina ataon’ireo be galona eto an-drenivohitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT