Actualités

Mpamily taxi be sy ny resevera Mitondra 5.000 Ar isan’andro mody raha kely


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Tsy maintsy mitondra vola mody 5.000 Ar isan’andro raha kely ireo mpamily taxi-be sy ny mpanampy azy, eto an-drenivohitra raha araka ny fanadihadiana natao.

Miankina amin’ny volan’ny  tompon’ny fiara henjehina anefa izany izay manomboka amin’ny 60.000 Ar ka hatramin’ny 75.000 Ar miankina amin’ny hatsaran’ny fiara.  Tour dimy na enina eo ho eo isan’andro no hanenjehany ireo lela-vola ireo, raha araka ny fanadihadiana natao ka rehefa azo izany dia manomboka mitady izay vola entiny mody amin’izay izy ireo. Samy manana ny fomba fiasany ny tsirairay, amin’ny ankapobeny. Misy ny mpamily mihitsy no mibaiko ny toerana tsy maintsy hiverenany na dia eny amin’ny an-tsasa-dalana aza raha misy ihany koa ireo mpanampy azy no manao antsasa-dalana hatrany hatrany ary mahazo 400 Ar in’efatra mandrapahatongan’izy ireo any amin’ny toby fiantsonana. Mody avy hatrany izy ireo rehefa azony izay vola ilainy na dia mbola tsy amin’ny 08 ora alina, fotoana voatondro ao anatin’ny bokin’andraikitra tokony hijanonan’izy ireo aza izany. Mahatsiaro mijaly tanteraka ny  mpandeha vokatr’izany. Ho an’ireo taxi-be mbola manaja io amin’ny 08 ora alina fotoana fodiana io kosa dia marobe amin’izy ireo no mifanenjika an-dalana ka tsy manala mpandeha eny amin’ny toby fiantsonana nifanarahana intsony noho Ravola ihany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT