Tranga tsy dia fahita nosahanin’ny polisy ao Toamasina I ny fanolanana mitranga amin’ny zazalahy. Ny alarobia alina raha nirevirevy teny amoron-dranomasina toy ny fanaony ity mpamily taksibrosin’ny FIFIABE Antananarivo – Toamasina 34 taona, Dani Rakotoniaina
, izay tsy manambady aman-janaka ity, dia nentiny tsy nierany tamin’ny reniny variana mivarotra ity zazalahy 09 taona izay mahalala azy tsara. Ny fandalovan’ny polisy manao fisafoana no nitarainan’ity renim-pianakaviana ity ny tsy fahitana an-janany. Raha nataon’ny polisy ny fikarohana dia tratra tao anaty fiara mini-bus ilay mpamily sy ilay zazalahy 09 taona efa voaolana. Niaiky ny zavatra nataony ilay mpamily, saingy nanamafy koa ny polisy fa misy hadisoana goavana teo amin’ny renin’ity zazalahy mampiasa ny zanany andro alina sy amin’ny toerana fivarotana zava-pisotro misy alikaola. Miandry fitsarana any am-ponja ity tovolahy 34 taona mpamily ity taorian’ny fiakarany mpitsara miaro ny zaza tsy ampy taona Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.