Lasa resabe amin’izao fotoana ny momba an’ilay mpamily nahafaty olona 3 teny Alarobia ny takarivan’ny alahady 21 mey teo. Miparitaka any anaty tambajotram-pifandraisana “fesiboky” ny sarin’ilay tovolahy namily ilay fiara marika “mini cooper”, izay voalaza fa mamo kanefa mbola namily, ary izao namono olona izao.
Maro ny tsy faly noho ny vaovao efa niparitaka fa sazy mihantona 3 volana monja no azony taorian’ny nisintonan’ny fianakavian’ireo maty ny fitoriana azy. Tsiahivina fa vehivavy 2 sy zazakely 1 no namoy ny ainy tamin’io. Miparitaka, araka izany, ny hafatra isan-karazany toy ny hoe: “Ny tribonaly no nanafaka an’ialahy fa ny bandy mbola lagy amin’ialahy”. Sesilany ny fanehoan-kevitra sy ny fivoizana fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahafaliana manoloana ity toe-javatra ity. Misy mihitsy no manome tsiny ny fitsarana, ka zary manao fampitahana ny raharaha tamin’ny raharaha Hiary Rapanoelina, izay nogadraina noho ny resaka fesiboky, ny raharaha fikasihan-tanana mpianatra teny Anjanahary, izay efa nihidy 1 volana teny Antanimora sy nahazo sazy mihantona 8 volana. Ny 8 jona nandritra ny fivahinianan’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) Faniry Ernaivo sy ny lefiny Fanahimanana Tiaray tamina onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra kosa dia naneho hevitra ny filohan’ny SMM hoe isika ve ho sarotiny alohan’ny tompony ? Nohazavainy fa ny mpitory amin’io ary nampanantsoina tsy tonga, ny olona izay nasaina nanao vavolombelona tsy misy mahasahy mijoro. Dia maninona no ny fitsarana foana no homena tsiny kanefa ny olona tokony hitory aza tsy mitory, hoy izy tamin’io fotoana io. Nomarihiny mihitsy fa ao anatin’io dosie “mini cooper” io dia misy fanatsoahana fitoriana. Maninona no terena ny fitsarana hanenjika ilay olona kanefa vao manomboka aza ny fanadihadiana dia efa manatsoaka ny fitoriana ireo fianakavian’ny lasibatra hoe tsy hitory intsony na maty aza ny zanakay. Nilaza mihitsy ny filohan’ny SMM fa misy porofo ny fanatsoahana fitoriana raha toa ka miisa 3 ny fitoriana tany am-piandohana. Miteraka adihevitra tanteraka ity raharaha ity. Iza no homena tsiny ? Ny fianakavian’ireo namoy ny ainy nanaiky lembenana ve ka nanatsoaka ny fitoriana ? Ny fitsarana tsy nanagadra ilay nahavanon-doza ve satria nisafidy ny tsy ho sarotiny mialoha ny tompony ? Sa ny olona tsy faly amin’ny zava-misy, ka miandry an-kendritohana ilay nahavanon-doza ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.