Mangidy ho an’ireo mpiasa an-jatony, mpamboly jatropha any Befandrama, Ambarijeby Sud
, distrikan’Analalava ity taona 2017 ity. Dimy volana tsy nandray karama izy ireo izao, ary mitaraina mafy mba hamahana ny olana. Tsy mba afaka nankalaza ny fetin’ny krismasy toy ny rehetra ireto mpiasa ireo, ary manahy fa mbola ho toy izany ny faran’ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao 2018. Voalaza aza fa dia efa oviala no sakafon’ny sasany amin’izy ireo ankehitriny, ny hafa efa bokan’ny trosa noho ny tsy fandraisana valin-kasasarana tao anatin’ny dimy volana izay.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.