Actualités

Mpaka an-keriny an’i Yanish Ismael Efa nahazo 10 miliara ariary


  • Talata 06 Jona 2017

Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny toerana nitazonan’ireo naka an-keriny an’ilay teratany karana, Yanish Ismael nitranga teny Ankadikely Ilafy, tapa-bolana lasa izay.

 Araka ny fanazavana nomen’ny fianakaviana dia efa nanome 10 miliara tamin’ilay 17 miliara ariary nangatahana izy ireo. Mbola eo am-panangonana ilay 7 miliara ambiny sisa ankehitriny ny fianakaviana, raha ny vaovao farany. Hatreto aloha dia tsiambaratelo tanteraka ny mikasika ity raharaha ity. Tsy mbola namoaka vaovao hafa ihany koa ny avy ao amin’ny polisim-pirenena na dia fantatra fa manao fikarohana sy fanadihadiana aza. Efa nisy moa ny fanambarana nataon’ireo mpandraharaha sy fikambanamben’ny ireo mizaka ny zom-pirenena Frantsay eto amintsika ny amin’ny tokony hahahentitra kokoa ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana satria tena misy akony ratsy amin’ny fandraharahana ataon’izy ireo ity resaka fakana an-keriny isaky ny mihetsika ity. Hatreto anefa, tsy mety fantatra mazava ny tena atidoha miketrika azy.


Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT