Ny fiandohan’ny herinandro heriny tahaka izo alatsinainy izao vao maraina be dia nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy eny amin’ny Boriborintany faha-6 eny Ambohimanarina fa misy moto scooter roa halatra amboarina ao amin’ny mpanamboatra moto iray eny Ambohimanarina tsena.
Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka nidina teny an-toerana. Lehilahy roa no tratra teo am-panamboarana ireo moto. Rehefa nosavaina ny taratasin’ireo moto ireo dia tsy nisy. Raha ny hita teny an-toerana dia moto efa ravarava tanteraka no tao. Tamin’ny famotorana natao azy roalahy dia nanondro roalahy hafa izy ireo izay nolazainy fa nanosika ireo moto ireo tao aminy. Samy niaiky moa izy efa-dahy fa tsy misy tompony ireo moto ireo. Nanambara ihany koa ry zalahy fa hamboarina ireo moto ireo ary hitadiavana mpividy rehefa vita. Natolotra ny Fitsarana avy hatrany izy efa-dahy voasambotra ireto.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.