Actualités

Morontsiraka atsinanana Misy sambo iray mampiahiahy indray


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Tsy mbola misy tokotaniny ny marina mikasika ny raharaha fahatrarana ny sambo “Lumina”, nahatrarana boaderozy miisa 341, tokony ho 60 taonina.

 Misy sambo iray mampiahiahy indray niantsona tany Maroantsetra, araka ny fampitam-baovao iray re avy any an-toerana omaly. Sambo avy any Diego nitondra sira 1065 taonina izy io. Nahintsana tao Maroantsetra sy Vohémar anefa ny sasany ary nijanona roa andro tao amina toerana mampiahiahy any Maroantsetra. Voalaza fa eo amin’izany toerana izany no fiantsonan’ireo sambo hampiasaina amina fanondranana boaderozy an-tsokosoko. Nolazaina fa simba ilay sambo. Rehefa nosavaina ny lakavy sasany dia tsy nahitana boaderozy. Mbola misy lakavy maromaro tsy voasava anefa fa misy sira eo am-bavany. Noho ny ahiahy dia voatery tsy maintsy nentina any Toamasina ny sambo hahafahana manamarina ny tena ao anatiny. Hiaraha-mahita eo indray ny tohin’ity raharaha ity, fa raha mikasika ny sambo Lumina dia efa voasambotra ny tompony, saingy mivoaka ny resaka fa vonona hanome volabe 2,6 miliara ariary ny tompon’io sambo io. Antomotra ny fifidianana ary re ihany koa izao fa izay no mampirongatra ny fanondranana boaderozy mba hoentina manomana propagandy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT