Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny tapany avaratra sy Atsinanan’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Raikitra ny fifandonana teo amin’ny zandary nampian’ny fokonolona nanara-dia sy ireo dahalo nanao fanamiana miaramila nirongo basy kalachnikov sy basim-borona avy nangalatra omby 104 tao Basibasy Morombe. Vokany, dahalo 12 maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, roa azo sambo-belona. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela izy ireo rehefa vita ny famotorana, araka ny fanazavan’ny Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait, « Commandant de compagnie » Zandarimaria ao Toliara. Nomarihan’ity manamboninahitra ambony ity fa avy any amin’ny distrikan’i Sakaraha ireto malaso nanafika tao Basibasy Morombe ireo, ary latsaka avokoa ireo omby very, izay efa tafaverina any amin’ny tompony.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.