Actualités

Moramanga-Sainte-Suzanne Hamafisina ny fiaraha-miasan’ny tanàna


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Hohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny kaominin’i Sainte-Suzanne atsy amin’ny nosy La Réunion, kaominina frantsay mpirahavavy amin’i Moramanga an-tampon-tanàna, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles,

voafidy tany amin’ity distrika ity tamin’ny fotoana niverenany an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo raha avy nanatrika ny « Fête de la liberté » tany La Réunion izy. Marihina fa fety nanamarihana ny fanafoanana ny fanandevozana (1948) ny 20 desambra any La Réunion izay miendrika fetim-pirenena mihitsy any amin’ity Nosy ity. Nojeren’ity depiote ity tany an-toerana ny fiaraha-miasa azo atao amin’i Sainte-Suzanne eo amin’ny fahazoana mampiasa ny angovo azo avy amin’ny masoandro sy avy amin’ny rivotra any Moramanga. Efa maro ireo entana azo avy amin’ity kaominina frantsay any Sainte-Suzanne ity hatramin’izay fiaraha-misa natao nanomboka tamin’ny taona 2000 izay, hoy ny depiote Henri Charles, fa olana be ho an’i Moramanga ny famoahana azy ireo any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina noho ny tsy fahampiam-bola eo anivon’ny kaominin’i Moramanga.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT