Actualités

Moramanga Onjam-peo ara-pilazantsara tsy manaja lalŕna ?


  • Alakamisy 15 Jolay 2010


Ao anatin’ny fandikana tanteraka ny lalàna momba ny serasera sy ny fifandraisan-davitra eto amintsika ny radiom-pivavahana iray ao Moramanga ao. Velon-taraina amin’ny fibahanana ny mari-drefy ataon’ity onjampeo ity ireo radio tsy miankina any an-toerana sy ny mponina ihany koa, izay mba te hihaino zavatra hafa. Bahanan’ity onjampeo ity avokoa mantsy ny mari-drefy FM manomboka eo amin’ny 90 Mhz ka hatrany amin’ny 105 Mhz, ka maromaro ihany ireo onjam-peo voatsindry. Voalazan’ny mponina tany an-toerana fa efa nisy ny firesahana sy filazana ny zavatra tsy mety teo amin’ny tompon’andraikitra tao amin’ity radiom-pivavahana ity, saingy tsy mbola nisy fiovana mihitsy ny toe-draharaha hatramin’izao, na dia efa herinandro maromaro ihany aza no nitrangany. Manaitra ireo tompon’andraiktra eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny OMERT, araka izany ny mponina any an-toerana sy ireo onjam-peo mandeha eo amin’ny mari-drefy FM mba handray fepetra satria na inona na inona mety ho antony dia fandikan-dalàna no famaritana izao fa tsy zavatra hafa mihitsy. Matetika dia olana ara-teknika eo amin’ny «émetteur» no mahatonga ny tsy fahamarinan-toeran’ny mari-drefina onjam-peo iray na misy fahasimbany mihitsy ireo fitaovana na matanjaka loatra ilay «émetteur» ka lasa manindry ny sasany. Azo ambara hoe olana teknika izany, saingy azo atao tsara ny manitsy sy manamboatra azy, raha tsy hoe efa fanahy niniana natao mihitsy angaha ilay izy. Koa manantena ny mponin’i Moramanga fa handray andraikitra haingana ny ministeran’ny serasera sy ny OMERT fa tsy hatoritory manan’aretina sanatria.. !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT