Vita ary dia hotokanana rahampitso alakamisy 23 novambra ny tsenan’i Moramanga.
Ahitana trano lehibe miisa enina, ka misy rihana ny roa amin’ireo izay afaka mandray mpivarotra 1000 eo. Famatsiam-bolan’Ambatovy no nenti-nanana ny asa, avy amin’ny Tahiry ho amin’ny famatsiam-bola ara-tsosialy napetrak’Ambatovy tamin’ny 2012 ary nisy vola 25 tapitrisa dolara. Tafiditra ao anatin’ireo tetikasa niisa 17 nankatoavina hahazo famatsiam-bola avy amin’io Tahiry io ity tsena vaovao ao Moramanga hotokanana rahampitso io. Ho avy any an-toerana hitokana izany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.