Misy ny tsaho iniana aely sy ny fanakorontanana saim-bahoaka atao etsy sy eroa, noho izany indrindra no mahatonga ny kandida ho ben’ny tanŕna Solofo ao Moramanga nanao antso avo ho an’ny mponina ao an-toerana mba ho mailo sy ho malina.
Vonona hiatrika ny famerenana ny fifidianana ny lisitra PMDR tarihiko,hoy izy ary manentana ny vahoaka hanefa ny adidiny ka ho tonga hifidy. Hijoro amin'ny fahamarinana, ho tony ary hanaja ny lalana velona eto amin'ny tany sy ny firenena isika hoy izy ;mahatoky ny fahendrena sy ny firaisankinan'ny vahoakan'i Moramanga amin'ny fanehoana ny safidiny aho ary mino sy manantena fa hizotra am-pilaminana ny fifidianana.Miisa 19 moa ireo kaominina hamerenana ny fifidianana ben’ny tanàna ny 13 novambra ho avy izao ka tafiditra ao anatin’izany ny ao Moramanga.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.