Tonga eto amintsika eto Madagasikara efa ho 3 herinandro Atoa Jean Axel Epiloïs izay ben’ny tanàna lefitr’ i Sainte Suzanne atsy amin’ny nosy La Réunion izay tanàna mpirahavavy amin’i Moramanga any Alaotra Mangoro.
Na dia raharaham-pianakaviana aza no hahatongavany eto Madagasikara amin’ny maha Malagasy ny reniny dia fantatra ihany koa fa nahazo iraka manokana avy amin’ny ben’ny tanànan’i Sainte Suzanne, Mauric Gironcel, izy hijery ifotony ny hanatanterahana tetikasa fampidirana angovo azo havaozina any Moramanga sady hijery ihany koa izay fanampiana azon’ny tanàna misy azy ho an’ny mponin’ity tanànan’i Moramanga ity. Rahampitso alakamisy 18 janoary 2018 no hidina any an-toerana izy ka haharitra roa andro ny diany any.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.