Nandray ny iraky ny Amnesty International ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo, ny zoma teo. Voaresaky ny roa tonta tamin’izany ny tsy fandriampahalemana any atsimon’ny Nosy.
Nampahafantarin’i Monja Roindefo nandritra io fihaonana io ny tatitry ny asa nataon-dry zareo tany Tolagnaro sy Amboasary, izay nananganana ny fikambanan’ireo niharam-boina, namoy havana, potika sy very fananana vokatry ny halatr’omby andaniny fa teo koa ny nafitsok’ireo miaramila mpampandry tany. Andrasana ny antontanisa marina vokatry ny asan’io fikambanan’ireo niharam-boina io, ary dia hoentina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany.
Ankoatra izay dia fantatra fa nandefa taratasy fiarahabana sy firariantsoa ho an’i Barack Obama i Monja Roindefo ny 08 novambra teo, tamin’ny nahavoafidy azy indray hitantana an’i Etazonia atao anatin’ny efa-taona. Tamin’izany no nilazan’ny Praiminisitra teo aloha, izay kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo fa modelin’ny demokrasia i Etazonia. Hiatrika fifidianana koa i Madagasikara atsy ho atsy, ka niantsoany ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny Amerikanina hisian’ny fifidianana madio, hamaranana izao krizy izao, ka hamerenana indray an’i Madagasikara amin’ny rafitra manaraka ny lalàmpanorenana.
Notsiahivin’i Monja Roindefo fa andraikitry ny governemanta no miantoka ny hampandriana fahalemana ny mponina ary koa miaro ny fananany nefa ny zava-misy eto dia be marenina tsy mihaino ny mpitondra, ka mila io fanampiana io i Madagasikara. Mandeha ny feo fa hitsidika aty Afrika ny filoha amerikanina, Barack Obama. Anisan’ny firenena hotsidihiny i Afrika Atsimo, ka antenain’ny maro fa horesahana mandritra izany diany izany ny raharaha Madagasikara. Mpiaramiombon’antoka lehibe amin’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana rahateo i Etazonia, raha tsy hiresaka afa-tsy ny AGOA, MCA, ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.