Actualités

Monique Rakotoanosy Nahazo ny diplaoma ambony HDR


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Nahazo ny mari-pahaizana HDR (Habilitation à Diriger des Recherches) ny mpampianatra mpikaroka Rakotoanosy Monique, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny ONG Ilontsera (Ivom-pandalinana ny Tontolon’ny Serasera marolafy eto Madagasikara).

 Tontosa tao amin’ny Efitranon’ny Amphi 24 ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siansan’ny Mahaolona eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny 22 novambra lasa teo ny fanohanany ny voka-pikarohany mitondra ny lohateny hoe : « De la déconstruction au jeu des possibles : itinérance d’une chercheure transdisciplinaire en Education ». Nanapa-kevitra tamin’ny fanafahana azy ary nanome naoty ambony ny vondron’ny mpitsara izay nahitana an-dRalalaoharivony Baholisoa (Doyenne de la FLSH), Randriamarolaza Louis Paul (Garant scientifique), Razafindrakoto Lucien (Rapporteur interne), Manorohanta Cécile (Rapporteur externe), Rabenoro Irène (Juge), Rabearimanana Lucile (Juge). 500 pejy latsaka kely ity voka-pikaroahana ity. Anisan’ny mivoitra ao anatiny ny
lalana nodiavin’ny asa fikaroahana tao anatin’ny 30 taona sy ny fampiharana ny fomba fijery malalaka eo amin’izay sehatra izay. Natomboka tany amin’ny taona 1968 izy io. Noho ny tsy fisian'ny rantsam-piofanana haifiarahamonina (Sociologie) sy ny tontolon’ny fanaovan-gazety (Journalisme), izay isan’ny manintona ny tanora maro vao afa-panadinana bakalorea, dia fanamby napetrany ny hivoy ny fandalana ny maha olombelona hahatakatra ny tokony hanompoany sy hanasoavany ny tontolo misy azy, ny vahoakany. Resy lahatra amin’ny tombontsoa amin’ny maha anatin’ny vondron’olona mandalina ny soratra sy ny adidy handray anjara amin’ny  fihenan'ny tsy rariny sy ny tsy fitovian'ny fiarahamonina Malagasy, amin'ny alalan’ny fandalinana ny rafitra ara-tsosialy sy ny fanabeazana fiarahamonina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT