Actualités

Mondial 2010 Fanararaotra ho an’ny mpivarotra fahitalavitra


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Ny zoma 11 jona ho avy izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ary haharitra iray volana ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra izay hatao atsy Afrika Atsimo.

Ihazakazahana ny fividianana fahitalavitra eny anivon’ireo tranombarotra isan-karazany eto an-drenivohitra mba hahafahana manaraka izany. I Jean avy any Ambatolampy izao dia niakatra aty an-drenivohitra mihitsy hijery izay fahitalavitra mety aminy mba hahafahany manome fahafaham-po ireo zanany izay efa hiditra amin’ny fotoam-pialantsasatra afaka andro vitsy. Ho an’ny tranombarotra Discount Store Saturne etsy Soarano dia mitombo isa ireo mpiantsena manontany vidin’entana ao aminy tao anatin’ny herinandro izay. «Saika manontany fotsiny izy ireo satria ireo fahitalavitra madinidinika hatrany no tadiavin’ny olona kanefa ny anay ato saika ireo lehibebe avokoa toy ny 26 sy ny 32 pouces», hoy i Patrick, mpivarotra ao an-toerana.

Nitsotra kosa i Victorien ao amin’ny magazay Bao Lai Analakely fa betsaka tokoa ny mpividy ankehitriny satria mahalafo fahitalavitra 10 ka hatramin’ny 15 isan’andro ry zareo ka ireo manana habe 21 sy 29 pouces no be mpitady. «Tsy misy ahiana ny fahalanian’ny entana satria efa niomana izahay», hoy izy. Olona avy amin’ny faritany avokoa no ankamaroan’ny mpividy. Nomarihin’i Valérien kosa fa tsy misy mpividy ny fahitalavitra 14 pouces noho izy ireo kely loatra. Momba ny vidin’entana indray dia tsikaritra fa manao fihenam-bidy avokoa ireo mpivarotra ka manodidina ny 10 ka hatramin’ny 15% eo ho eo izany. Raha ny lalàn’ny varotra dia misondrtra ny vidin-javatra rehefa be ireo mpividy saingy tsy afaka manao izany izahay satria be loatra ny mpifaninana ary ny sasany aza tena mamono ny tsena mihitsy amin’ny fampidinana ambany dia ambany ny vidin’entana raha ny fanamarihan’ny mpivarotra karana iray etsy tsaralalana. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT