Efa tsy salama andro maromaro ary fantatra fa lasa nitsabo tena atsy amin’ny nosy La Réunion ny mompera Pedro Opeka. Ity pretra Argentina ity no namorona ny Toby Akamasoa mba ho fanampiana sy fampianarana ireo olona sahirana hivoatra sy hanonamana ho avy tsara kokoa ho an’ny taranany.
Ny taona 1989 izy niaraka tamina fianakaviana 70 mpitsindroka fako isan’andro teny Andralanitra no nanorina ny Toby Akamasoa. Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay aretina tena manjo ny Mompera Pedro, izay feno 70 taona katroka tamin’ity 2018 ity. Tsy fantatra ihany koa ny haharetan’ny fitsaboana azy any La Reunion. Marihina fa efa anisan’ireo olona nifaninana amin’ny fahazoana ny loka Nobel ho an’ny fandriampahalemana tamin’ny taona 2013 ny Mompera Pedro.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.