Actualités

Mitombo ny olona voan’ny SIDA Misy « séropositifs » 79 any Atsimo Andrefana


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mitondra ny otrikaretina VIH/SIDA eto amintsika

 

 

. Raha araka ny antontan’isa voaray teo anivon’ny komity nasionaly miady amin’ity areti-mandoza iray ity mantsy dia efa mahatratra 37.000 ireo lasibatr’izany manerana ny Nosy. Vao ny 1.000 amin’ireo monja anefa no raisina an-tanana amin’izao fotoana izao raha tsy hita  sy tsy fantatra kosa ny ambiny. Ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana manokana dia fantatra fa miisa 79 ireo olona mitondra ny otrikaretina Vih/ sida na “séropositifs” any an-toerana. Mba hahafahana mitazona io isa io tsy hitombo sy hahafahana mahafantatra ireo voa tsy hamindra amin’ny hafa intsony ary no sady hanaraka fitsaboan-tena dia nampiofana ireo mpanao gazety sy mpamokatra fandaharana any amin’iny faritra iny ny CNLS ny faran’ny herinandro teo. Am-polony ireo nahazo tombontsoa tamin’izany ka ny tanjona dia ny mba hanaovan’ny rehetra fitiliana izay hatomboka amin’ny alalan’ny fanentanana.

 

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT