Actualités

Mitohy ny trafika “Bois de rose” telo kamio indray no tratra omaly


  • Alakamisy 15 Jolay 2010

Betsaka ny laza masaka amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena mikasika ity resaka andramena na bolabola na “bois de rose” ity. Ny fanaratsiana izay tsy tiana sy tiana hosoketaina ihany no mandeha, fa ireo manampahefana, indrindra ny faritra tena fivoahany, tsy asian-teny akory na iniana ampanginina mihitsy ny raharaha.

Ny alarobia 14 jolay teo tokony tamin’ny 07ora maraina izao, tratra tamin’ny lalam-pirenena faha-05 iny indray ny andiana andramena fahatelo niainga avy any Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Fiarabe telo, mitondra ny laharana 73.. AD sy 38.. AD ary 84..AD, ireto tratra ireto, izay feno “bois de rose” avokoa. Raha vinavinaina ny lanjany dia manodidina ny 60 taonina eo, ka izany Ahmad izany no tompony, araka ny fanadihadiana natao. Ny kolonely Yama Radafy avy amin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina, ny kolonely Botou Estellin avy amin’ny "groupement"-n’ny zandary faritra Atsinanana, ny Talen’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina, ny lehiben’ny faritra Atsinanana Alain Mahavimbina ary ny Talen’ny tontolo iainana sy ala, Boda Richard no misahana ny fanadihadiana sy fanaraha-maso ary figiazana ireto hazo sarobidy andramena tratra omaly ireto.

Raha ny fanazavana azo, na nafenina mafy ny mpanao gazety sy mpampahalala vaovao tao Toamasina aza ireto andiana “bois de rose” faha-03 tratra tao anatin’ny roa heninandro ireto, dia niainga tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra, izay nentina sambo kely manao zotra Soanierana Ivongo mianavatra. Tsy tao Soanierana Ivongo anefa no nahotsaka (nampidinina) ireto hazo “bois de rose” ireto, fa tao Mahambo ka tokotanin’olona efa fanta-daza amin’ny resaka politika tao no nametrahana azy. Tao vao notaterina tamin’ny fiara vaventy nokaramain’i Ahmad ireo "bois de rose" ireo, ka nentiny tao an-tokotaniny ao Ampilaholava Toamasina Suburbain manamorona ny RN5 iny. Tamin’izay dia nisy zandary roa niaraka tamin’ireto entana nokaramaina manokana mba hialana amin’ny sakan-dalana. Tsy fantatra anefa hoe iza ireto zandary ireto na nanadihady aza ny mpanao gazety. Tao amin’ity tokotany malalaka tsy misy mipetraka ity no sarona ireto “bois de rose” telo kamio ireto, saingy raha vao tonga ny mpitandro ny filaminana sy ny komity voalaza etsy ambony ireo, dia nitsoaka ireo mpamily sy ny mpanampy azy ary ny tompony. Ilay tompon’ny fiara nokaramaina ihany no tratra raha nantsoina tamin’ny finday araka ny laharana hita tao anaty fiara.
Fantatra ihany koa, fa nokasaina halefa aty Antananarivo ireto “bois de rose” ireto taorian’ny fanisana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo komity omaly. Efa nivoaka rahateo, araka ny vaovao nangonina ihany, ny didy navoakan’ny fampanoavana Toamasina higiazana ireto “bois de rose” tratra ireto, ary ny hanaterana azy aty Antananarivo ho lasa fananam-panjakana ka ireto farany no manao izay hanaovany azy.
Re izao, araka ny fanadihadiana natao, fa ao Toamasina no misy ny telo ampahefatry ny tahirina halatra bolabola, fa ny ampahefany sisa no tavela any amin’ny toerana nanapahana izany.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT