Actualités

Mitaraina ny tantsaha any Alaotra “Giazan’ny Fanalamanga ny taninay”


  • Zoma 30 Jona 2017

Tantsaha manodidina ny 30 000 any Amboasary, Andaingo, Morarano, Soalazaina ary Besakay hatrany Morarano Chrome,

faritra iasan’ny orinasa Fanalamanga any Alaotra Mangoro no mitaraina fa ny tanin’izy ireo sy ny razambeny no nanamaintimolaly azy hatrany amin’ny taona 1927, dia giazan’ny orinasa Fanalamanga. Niorina tany amin’ny taona 1968 anefa ity farany. PRIA (Périmetre de Reboisement Industriel d’Alaotra-Mangoro) no anarana nisalorany tamin’izany fotoana, ary ny taona 1975 no lasa Fanalamanga, raha ny fanazavan-dRandrianarivony Davida, tantsaha iray avy any Amboasary gara. Tamin’ny taona fiforonany izay mbola niarahany tamin’ny sampandraharahan’ny ala dia nanazava ny orinasa fa in-dray mitrandraka ihany, dia haverina amin’ny mponina ny tany. Vita fitrandrahana amin’izao fotoana izao, ary efa nanao fambolena amin’ny tany ny mponina, saingy ambaran’ny orinasa fa tsy misy manana tany ao, raha ny fanazavana. Takiana ny taratasy ara-dalàna, ka ambara fa raha manana “titre foncier” dia haverina fa raha tsy izay, dia hotanan’ny Fanalamanga hovoleny ary ambara fa azy. Ao anatin’ny faritra Alaotra anefa, hoy hatrany Randrianarivony Davida, dia mety manodidina ny 5% no manana izany “titre foncier” izany fa solam-pangady na vokatry ny fanamaintisa-molaly avokoa no mamaritra ny tompony. Rehefa natao anefa ny fanamarinana dia tsy misoratra velively amin’ny orinasa Fanalamanga ny tany fa mbola tanim-panjakana madiodio, ka mihevitra ho tratry ny kely tsy mba mamindro izy ireo. Misy ihany koa ny sinoa miara-miasa amin’ny orinasa ary efa an’arivony hektara no voavoliny hazo, ka na misy tanin’ny mponina aza tafiditra ao anatin’ny voavoly dia efa tsy azo intsony. Miantso vonjy mba hijerena akaiky azy ireo tantsaha, izay eo am-pananganana ho ara-panjakana ny fikambanan’izy ireo ankehitriny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT