Actualités

Misy mitady handroba ny Karana ?


  • Zoma 25 Jona 2010


Misy amin’ireo mpandraharaha karana no mitaintaina tato ho ato, araka ny tsiliantsofina re noho ny resaka mandeha be fa hisy andian’olona mety hanakorontana eto, ka ho lasibatra voalohany amin’izany ireo mpivarotra sy mpandraharaha karana. Araka ny fantatra dia efa nisy mihitsy ny trakta nanomboka niparitaka teto an-drenivohitra ny amin’izany zavatra mety hiseho izany. Ny tanjon’ireto andian’olona ireto, araka ny feo re ihany dia ny hanakorontana mihitsy mandritra izao fetin’ny fahaleovantena izao, ka mety hamerina indray ny OPK ka handroba sy handoro ireo fivarotan’ny teratany karana eto an-drenivohitra.

Ny avy ao amin’ny mpitandro ny filaminana anefa dia efa nampitandrina mazava fa ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana ary tsy hisy mihitsy ny famindram-po amin’ireo izay minia manakorontana sy mampisavorovoro ny saim-bahoaka amin’ny fankalazana ny faha- 50 taona niverenan’ny fahaleovantena izao. Na dia eo aza anefa izany fahavononan’ny mpitandro ny filaminana izany dia maro ihany ireo manahy ary maro ny olona nisafidy ny tsy hivoaka fa hifety ao an-trano fotsiny ny 25 sy 26 jona, noho ny ahiahy sy ny tahotra ny amin’ny mety hisian’ny korontana na savorovoro. Be loatra mantsy ny resaka re momba izany. Etsy ankilan’izay koa anefa ny tena manahirana dia mitam-basy ary manana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika mihitsy ireo jiolahy ka afaka manao izay tiany. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT