Misaona ny tontolon’ny rugy malagasy fa nodimandry ny talata 8 septambra teo amin’ny faha-38 taonany ilay Pilier kalazan’ny fileovana TAM Anosibe, RAZAFINDRAKOTO Heriniaina Edgar dit DOUGLAS
. Marihina fa izy dia efa voaantso imbetsaka tao amin’ny ekipam-pirenena malagasin’ity taranja ity. Rahampitso zoma 11 septambra amin’ny 12 ora antoandro no halevina eny amin’ny fasan-drazany eny Antsahadinta ny nofo mangatsiakan-dRatompokolahy rehefa hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny FJKM Namontana Fialofana mialohan’izany. Ao amin’ny LOT III T 271 Ter E Angarangarana aloha hatreto no toerana hiandrasana ny razana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny maty sy ny fianakavian’ny tontolon’ny rugby malagasy manontolo izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.