Nodimandry omaly talata 1 mey teo amin’ny faha-60 taonany Ramatoa Juliana Faralalao Andriambelo, tale jeneralin’ny orinasan-gazety Midi Madagasikara.
Efa am-bolana maro izy no niady tamin’ny aretina izay nikiky azy dia ny homamiadana raha ny fantatra. Izy sy ny fianakaviany dia anisan’ny nametraka tokoa ny dian-tanan’izy ireo eo amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara satria anisan’ireo gazety zokiny indrindra misy amin’izao fotoana ary manana ny toerany ny Midi Madagasikara, eo ihany koa ny Gazetiko. Ankoatra izay dia mbola an’ny fianakaviany ihany koa ny Groupe Matv. Vady andefimandrin’Itompokolahy Mamy Rakotoarivelo teo aloha i Juliana Andriambelo. Namela kamboty mirahalahy izy amin’izao fahalasanany izao. Miondrika am-panajana amin’ny fahoriana izay miseho ny tontolon’ny gazety sy ny haino aman-jery.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.