Nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany ny alakamisy 25 janoary teo ny minisitry ny varotra teo aloha Atoa Solofoson Georges rehefa niady tamin’ny aretina tao anatin’ny 5 taona.
Namela vady sy kamboty telo mianadahy (roa vavy dia ray lahy). Manana maripahaizana Brevet élémentaire, Baccalauréat Sciences Expérimentales Licence en sciences économiques tao amin’ny oniversite Marbourg Lahn tany amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina. Toerana sy andraikitra maro no efa notazoniny teto amin’ny firenena. Efa solontena maharitra lefitra tany amin’ny Foiben’ny FAO tany Roma (1969-1971), mpanolotsaina teknika tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny (1973-1975), talen’ny kabinetra sivily tao amin’ny filohan’ny Repoblika Demokratika Malagasy (1973-1975), minisitry ny varotra (1982-1989), minisitry ny varotra sy ny Indostria (1989-1991), filohan’ny filankevi-pitantanan’ny JIRAMA (1997 PCA) ary nisehatra tamin’ny asa fandraharahana izy izao nodimandry izao. Tamin’izy nandranto fianarana tany ivelany no nahafantarany an’i Didier Ratsiraka, niaraka namolavola sy nanangana ny antoko AREMA ary nijoro ho mpikambana tao amin’ny « Comité Central » ny antoko izy ary mbola komity mpitantana ny AREMA misahana ny Faritanin’ Antsiranana izy lasa io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.