Actualités

Misahotaka i Sainte Marie Tovovavy 120 voan’ny ambalavelona


  • Alarobia 13 Mey 2015

Sekoly enina miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, indrindra ireo sekolim-pinoana ao Sainte Marie, no tena hitrangan’ity aretina “Ambalavelona” mahazo ireo zazavavy 14 hatramin’ny 16 taona efa miisa 120 ankehitriny

 

. Telo volana lasa izay no efa nitranga tao amin’ity nosy ity izany saingy sekoly tokana tao Vohilava ihany no nahitana azy, ary efa nisy ny ezaka nitsaboana ireo mpianatra tratrany tamin’izay; nanomboka ny volana mey ity anefa dia niverina nirongatra ilay “Ambalavelona” ka izao nahazo ny mpianatra amin’ny sekoly 6 any an-toerana izao.

 

Dadarabe

Voalazan’ny vaovao “marim-pototra” avy any an-toerana, fa mirifatra tsy tana ary misy mihitsy ireo mandeha mirobo-dranomasina ka hifanavotan’ny fokonolona tsy hisian’ny loza. Sady mihinjitra sy mikiakiaka ary miantsoantso ireo tratrany, izay tsy voafetra ny fotoana tena itrangany saingy ny amin’ny alina sy ny maraina no tena mihetsika izany amin’ny ankamaroan’ireo tratrany. Vokatr’io firongatry ny “Ambalavelona” ao Sainte Marie io, ireo mpianatra zazavavy voany ihany koa milaza anaran’olona isaky ny mihetsika ny aretiny, dia nanapa-kevitra ireo ray aman-drenin’ny zazavavy voany sy ireo fokonolona amin’ny fokontany tena ahitana azy nikaroka ity olona voatonontonona ity ka nisy ny fisamboran’ny fokonolona ity rangahibe iray monina ao Vohilava ihany. Raha nosavain’ny fokonolona ny tranony dia nahitana saribakoly maro tsy misy lohany sy tsy misy tongotra aman-tanana ny sasany, ankoatra ireo tapa-kazo sy hodin-kazo. Avy hatrany dia nodoran’ny olona ny tranony ary nentin’ny fokonolona nanatona polisy izy sy ny vadiny. Ny vaovao “marim-pototra” avy any an-toerana ihany no nahalalana fa tsy niaiky ny fanapariahany ity “Ambalavelona” ilay rangahy be, fa nilaza kosa fa vonona ny hitsabo ireo zaza voany amin’ny maha mpisikidy azy. Ny vadiny kosa anefa araka io vaovao avy any an-toerana io hatrany, dia nilaza fa lava tongotra be, mandeha matetika any Mandritsara sy Sofia ary Ambatondrazaka, ny vadiny sy ity namany, izay mbola karohina, nefa tsy misy voan-dalana afa-tsy tapa-kazo sy saribakoly tsy misy lohany sy tanany ary tongony no entiny.

 

Sarotra ny fanadihadiana

Efa mandeha ny fanadihadian’ny polisy izay ao anatin’ny olana tanteraka, satria amin’ny fotoana maha salama saina ireto zazavavy voany dia tsy misy tsaroan’izy ireo ny nanjo azy sy ilay anarana voatonontonon’izy ireo mandritra ny aretiny mihetsika. Raha tsy misy anefa ny fandraisana andraikitra ataon’ny “fanjakana” mikasika ity heverin’ny fokonolona fa manaparitaka “Ambavelona” ao Sainte Marie ity, dia ahiana hivadika “fitsaram-bahoaka” ny raharaha.


 

Rakoutou

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT