Matetika no andrenesana olona voan’ny aretina fisondrotan’ny tosidra ka na mamoy ny ainy avy hatrany na koa tapaka lalandra sy mitondra takaitra. Tsy ny olon-dehibe ihany no tratran’izany fa hatramin’ireo tanora koa aza.
Manoloana izany indrindra dia manamafy ny Dr Rakotomalala fa toe-javatra roa no mety mahatonga io fiakaran’ny tosidra ny ankamaroan’ny olona io, dia ny tsy fahaizana misakafo, izany hoe ny tsy fandanjalanjana ny sakafo matavy sy ny sakafo mamy, ny paty sy ny tavolo. Fa anisan’ny mahabe ny trangan’ny fiakaran’ny tosidra manimba ny olona koa ny fahasahiranan-tsaina noho ny fiainana ankapobeny ka miteraka ilay antsoina hoe: ”stress”, izay mampikorontana ny lalandra sy ny taova ao anatin’ny olona. Koa ho fisorohana dia mendrika kokoa ny mahalalala ny antonony eo amin’ny fomba fisakafoanana, hoy i Dr Rakotomalala, ahena ny zava-mamy, ny matavy sy ny paty ary ezahina koa ny mandamina ny saina na eo aza ny fahasahiranana eo amin’ny fiainana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.