Mbola lavitrezaka ny asa amin’ny fampanajana ny miralenta eto Madagasikara.
Mbola tena vitsy ny vehivavy mitana andraikitra ambony na manampahefana. Manamafy izany ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin'ny antoko Tiako I Madagasikara, voafidy ao amin'ny boriborintany faha-VI Antananarivo Renivohitra. Ity farany izay nilaza fa raha ny depiote fotsiny dia 29 ihany no vehivavy amin’ireo 151 ao Tsimbazaza. “Mbola marefo” ny miralenta eto Madagasikara, hoy izy, tsy manome vahana loatra ny vehivavy. Tokony hiakatra any amin’ny 50% ny vehivavy mitana andraikitra eto amin’ny firenena, hoy hatrany izy. Resy lahatra izy, fa hitondra fampandrosoana izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.