Actualités

Miparitaka ny vola sandoka 3 lahy voasambotra tany Sambava


  • Talata 08 Aogositra 2017

Iray volana latsaka izay no namoahan’ny fanjakana Malagasy vola vaovao, ka isan’ny mampiavaka azy ny fisian’ny 20 000 Ariary mitambatra. Nambara fa tsy dia ho hita mifamezivezy io vola iray io, fa ireo tena mila ihany no hampiasa azy.

Tsy kely làlana anefa ny ratsy, ka tsy niandry ela akory ny fivoahan’ny vola sandoka, izay efa maro ihany no nilaza ho lasibatra. Olona miisa 2 no voasambotra tany Sambava, ka irakiraka mpitondra vola voalaza fa hividianana lavanila sy mpamily bajaj iray sarona ny 2 aogositra teo. Vola sandoka miisa 59 amin’ny 20 000Ariary no sarona niaraka tamin’izy ireo, taorian’ny fitarainana nataon’ny mpivarotra ao amin’ny kaominina antsoina hoe Ambohimalaza ny alarobia 2 aogositra. Nisy tanora maromaro niditra tao amina toeram-pisakafoanana iray nandritra ny fampisehoan’ny mpanakanto Dadi Love tany an-toerana, ka tokony ho 220.000 Ariary no tontalin’ny lanin’izy ireo, ka vola sandoka avokoa no nandoavana izany. Rehefa niakatra tao Sambava Renivohitra ilay mpivarotra lasibatra vao gaga sy talanjona fa hay tsy tena izy ireo vola. Tadidiny anefa ny endrik’ireo olona roa voalaza etsy ambony, ka tsy sarotra tamin’ny polisy ny nisambotra azy. Sarona niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny fitaovana fanaovana dika mitovy ny vola na ny “imprimante” nampiasain’ireo olon-dratsy niaraka tamin’ireo takelaka taratasin’ireo vola sandoka, efa tetitetehana sisa. Olona iray hafa ihany koa sarona tany Lanjarivo Antalaha noho ny fanaovana vola sandoka hatrany, ary efa voasambotra. Nilaza ny Kaomiseran’ny polisy ao Sambava  Tsara Nestor, fa efa ela no nahenoana feo fa miparitaka ao an-toerana sahady ny vola sandoka vaovao nefa tsy nisy iray volana akory no nivoahany. Na an-drenivohitra na ambanivohitra dia ahenoana ity resaka vola sandoka ity avokoa, ka ilaina hatrany ny mailo. Toa tandrametaka rahateo ny nanaovana izany, ka tsy atao mahagaga raha izao sahady ny zava-misy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT