Actualités

Ministra te ho kandida Nihemotra fa nilaza loza ny «sondage»


  • Zoma 22 Oktobra 2010


7% no tahan’ny vato manankery ho azony raha ny vokatry ny fanadihadiana nakana ny hevitry ny olona, raha ingahy ministra no ho kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo. Nitsangambolo avy hatrany izy raha nomena ny valiny. Nihoron-koditra koa ireo “staff” politikany, ary nanapa-kevitra avy hatrany ny hihemotra sao afa-baraka eo.

Fanao any amin’ny tany mandroso ny mihaino hevitr’olona maromaro na “sondage” mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra amina tetikasa na fandaharanasa iray heverina hotanterahina. Dia natao tokoa izany. Ary tamin’ny fomba siantifika no nitondrana azy. Izany hoe, mety tsy hifanalavitra amin’ny vokatr’io “sondage” ny vokatra tena izy raha hirosoana tokoa. Nihevitra ingahy ministra fa tombony ho azy ny maha mpitondra azy ankehitriny izy rahateo mbola tanora ka nanao kajikajy fa mora ho azy ny hambabo indray ny fon’ny tanora eto Iarivo, toy ny niseho ny desambra 2009, rehefa tonga izay fifidianana Ben’ny tanàna izay. Hafa anefa no fipetraky ny raharaha.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT