Actualités

Ministeran’ny mponina Hanadio eny ambany tanàna


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Hanao asa tanamaro eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra mandritra ny roa andro ny ministeran’ny mponina tarihin’ny minisitra Onitiana Realy. Hanomboka anio alakamisy 21 desambra izy io ary hifarana ny zoma 22 desambra.

Dimy arivo Ariary ny sandany, manomboka amin’ny 7ora maraina ha hatramin’ny mitataovovonana. Anosizato I sy II, Anosipatrana atsinanana, Ampangabe ary Ilanivato no hosahanina amin’io. Ny tsikafona  sy ny loto manentsina ny tatatra no asa hatao. Ny kendrena eto dia fanadiovana hialana amin’ny fiakaran’ny rano. Raha ny zava-misy amin’ireo toerana ireo anefa, tsy dia manary rano intsony ny tatatra fa sady miha tery no misy manao trano ka ka mora miakatra ny rano. Mila fotodrafitrasa maharitra sy mateza ny eny an-toerana fa tsy mety ny vonjy tavanandro. Porofon’izany ny eny Ilanivato Andavamamba izay tsy maintsy ampiasana sarety tanana ny fitaterana rehefa fahavaratra toy izao.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT