Actualités

Ministeran’ny fanapariaham-pahefana Notapahin’ny Jirama ny jirony


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Telo volana tsy misy rano, izao indray notapahan’ny Jirama ny jiro. Izay no iainan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny fanavaozana ny fanapariaham-pahefana etsy 67ha.

 Tsy nisy milina mandeha ary dia nikatso nanaraka izany koa ny asa omaly, andro nanapahan’ny Jirama ny herinaratra. Mahagaga ihany ity trangan-javatra ity satria vao ny zoma 12 oktobra lasa teo no nentina nisintaka ny renivohitra, nitsangantsangana ny mpiasan’ity ministera ity, izay midika fa misy vola azo nolaniana matoa natao izany, nefa ny faktioran’ny Jirama tsy voaloa. Enim-bolana eo izao no nampiasain’ny ministera ny rihana voalohany eo amin’ny Immeuble ACORDS 67ha nametrahana ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny fanavaozana ny fanapariaham-pahefana.

Azo antoka fa efa nihandrona am-bolana ny faktiora tsy voaloa matoa tonga amin’izao fanapahan-jiro izao ny Jirama, ny rano aza moa efa tsy nandeha am-bolana ihany koa. Siosion-dresaka no ahenoana fa dia haloa ny faktiora telo volana hahafahana mamerina ny jiro.

Ministera anisan’ny maha be resaka ity tantanan’i Ruffine Tsiranana ity. Iray volana lasa izay dia nisy ny taratasy nataon’ny ankolafy Ravalomanana mitaky ny hanoloana azy, fa hoe tsy mahay mitantana ka mety hanaratsy endrika ny governemantan’ny firaisam-pirenena sy ny ankolafy Ravalomanana nisy azy. Nandroso ny anaran’i Guy Rivo Andrianarisoa ity ankolafy ity hasolo azy, saingy tsy nisy tohiny mandrak’ity ny anio ny raharaha. Na i Roland Ravatomanga, minisitry ny fambolena, nambara fa hisahana vonjimaika ny fampandehan-draharaha tao aza tsy tafapetraka tamin’ny toerany.
 
Ny zava-nisy aza dia mbola nanendry Tale roa sy Tale jeneraly iray i Ruffine Tsiranana taorian’io fikasan’ny ankolafy Ravalomanana hanolo ny toerany io, ary nihazakazahana koa ny famoahana ny “subvention” ho an’ireo vondrom-bahoakam-paritra samihafa. Nampiasaina sabotsy, eny niasa alina mihitsy ny mpiasa sasany tao amin’ity ministera ity nanaovana izany. Asa anefa na nentin’ny hamehana sy ny fikoropahana na fanahy iniana tsotra izao fa dia re izao fa betsaka ny fahadisoana naterak’io enjikenjika tamin’ny famoahana “subvention” io. Misy Kaominina nahazo in-telo nefa misy tsy nahazo mihitsy. Maromaro ny tranga toy izany. Arakaraka ny sokajy misy ny Kaominina ny vola fa amin’ny ankapobeny dia 12 tapitrisa Ariary avy izy io farafahakeliny ho an’ny Kaominina ambanivohitra. Ankoatra izay dia Parlemanteran’ny tetezamita (CT sy CST) maromaro sendra ny Tia Tanindrazana ihany koa izao no mametra-panontaniana hoe iza avy ireo Kaominina sy Faritra nomena “subvention spéciale” na tohana ara-bola manokana avy amin’ny fanjakana ? Tokony hangarahara rahateo izy io. Raha ny mahazatra tamin’ny fitondrana teo aloha aza dia atao peta-drindrina ireo vondrombahoakam-paritra nahazo io fanampiana manokana io. Anatin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Parlemanta amin’izao ka azo antoka fa dia fanontaniana hiandry ity ministera ity ny amin’io fanomezana “subvention spéciale”  io.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT