Actualités

Ministeran’ny fanabeazana Tale roa nesorina rehefa vita ny nilana azy


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Tsy tanteraka ny filankevi-pirenena fanapahan-kevitra momba ireo mpampianatra afindra toerana na koa mangataka izany izay tokony ho notanterahana tao Sambava ny 17 sy 18 septambra teo.

 Ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fanabeazana, ny tale misahana ny mpiasa ao amin’ity departemanta ity (DRH), ireo DREN 22 miaraka amin’ireo tale misahana ny mpiasa eo ambany fahefany moa no mpikambana ao anatin’ny vaomiera mpanapa-kevitra amin’ilay famindran-toerana. Nesorina tamin’ny toerany tamin’ny 12 septambra teo anefa ny DRH teo aloha niaraka tamin’ny Tale jeneraly misahana ny fanabeazana fototra sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra (DGEFA) ary efa voatendry ny mpandimby azy ireo saingy nahagaga ny tsy nampisy ilay filankevitra. Marihina fa mandritra ny fotoam-pialantsasatra hatrany no fanatontosana io filankevi-pirenena io mba ahafahan’ny mpampianatra asaina mifindra toerana mikarakara ny diany mamonjy ny toeram-piasany vaovao sady koa tsy hanelingelina ny fizotry ny fampianarana.

Tsy maintsy miandry izay fandaminana vaovao izay mbola any ankibon’ny omby izany ilay filankevi-pirenena. Raha fahavoriana anefa tsy misy tahaka ny tany Sambava satria samy niatrika ny “sport scolaire” tany avokoa ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazana. Fa ankoatra io dia maha velom-panahiana ny mpiasan’ny ministera sy ny mpampianatra indrindra ireo sendikalista koa ny momba ny filankevi-pirenena andraisana mpampianatra vaovao. Ilay DRH teo aloha izay tena namolavola azy ity mantsy no nesorina ka mipetraka ny ahiahin’ny mpiasa sao misy resaka ambadika tiana ahatongavana. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny fiadidiana ny praiminisitra mantsy dia ny zanaky ny minisitra Manoro Régis izay mianatra any andafy ihany no notendreny ho tomponandrakitry ny seraserany.

Tsy monina eto sady tsy manao ilay asa akory ity farany nefa mandray karama. Fa mampimenomenona ny mpiasa koa ny fihetsika izay toa maneho fa tsy misy antony iaraha-miasa amin’ny DRH sy ny DGEFA teo aloha intsony rehefa vita ny nilana azy. Niasa mafy mba hanatontosana ny fanadinana CEPE sy BEPC teo mantsy ireto farany na dia maro aza ny tsy fahatomombanana niseho kanefa izao nisaorana izao.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT