Actualités

Minisitry ny Vola Niaiky fa misy ny kolikoly sy ny kitranoantrano


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny fampihenana ny fahantrana mianjady amin’ny 93%-n’ny Malagasy, hoy ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola Rakotoarimanana Gervais tao amin’ny fahitalavi-panjakana ny sabotsy alina lasa teo

 

. Afa-po tamin’ny dinika nifanaovany niaraka tamin’ny iraky ny Tahirimbola iraisaim-pirenena nandalo farany teto Madagasikara izy, araka ny nambarany. Tsy naharesy lahatra ity delegasionina vahiny ity anefa hatreto ny fandaharanasam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ahitana ireo tetikasa maikan’ny filoham-pirenena, raha ny fanazavana nentiny. Ambany ireo hetra sy ny haban-tseranana miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana noho ny kolikoly sy kitranoantrano. Takian’ny mpamatsy vola ihany koa ny fampitsaharana ireo karazana fanampiam-panjakana tsy miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Anisan’izany ny vola mihoapampana 35 miliara ariary isam-bolana mivoaka ao amin’ny Jirama saran’ny solika izay nitombo avo 5 heny tao anatin’ny enim-bolana. Mila harenina alohan’ny 25 aprily, fotoana hiverenan’ny solontenan’ny FMI eto amintsika ireo trangan-javatra ireo.

Zava-bita tsara nataon-dRavalomanana

Hiroso amin’ilay antsoina hoe «Facilité de crédits élargis» ny Tahirimbola iraisam-pirenena amin’ny volana jona 2015 raha tsapany ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ireo fepetra vitsivitsy notakiany ireo, hoy ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola. Tsy maintsy mandroso programa ahitana ireo tetikasa maika iadiana amin’ny fahantran’ny vahoaka maro an’isa anefa io fanamorana famatsiam-bola avy amin’ny FMI io. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry fahasalamana, ny fanabeazana, ny fotodrafitrasa toy ny fanamboaran-dalana. Noraisin’ity mpikambana ao amin’ny governemanta Ravelonarivo ity ohatra manokana ireo zava-bita goavana sy tsara nisongadina tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana Marc talohan’ny taona 2009 nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Tvm. Manana fe-potoana telo volana hanovana ny fomba fitantanana tsy mahomby eto amin’ny firenena moa ny mpitondra fanjakana Malagasy raha te hisitraka marina ireo famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT