Actualités

Minisitry ny vola Mbola salama saina tsara ihany ve ?


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Maro ireo mpanara-baovao taitra sy nitsamboatra mihitsy omaly hariva rehefa nijery vaovao tamin’ny fahitalavitra ka nandre ny tenin’ny minisitry ny vola Ramatoa Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa.

 

 Nambarany fa tsy tokony hosaziana na mandalo CODIS izany ireo olona tompon’andraikitra tamin’ny tarehimarika diso nivoaka tao amin’ny tranonkalan’ny ARMP. Fa angaha faute professionnelle grave izany no hakarina CODIS na hosaziana, hoy izy. Dia tena mahagaga ary mampanontany tena. Mbola tompon’ny tenany tsara ve ary mbola salama saina Rtoa minisitry ny vola miteny zavatra tsy voahevitra tahaka izany ? Efa noeritreretiny ve ny mety haterak’izany atsy aoriana kely atsy ? Ho lasa fomba fanao amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izany ny hoe nisy nifamadika kely fotsiny ny tarehimarika fa aza mikorapaka ianareo … Dia boriboriana tahaka izany fotsiny ny resaka. Tsy hisy mihitsy ve ny fanasaziana ireo nanao ny tsy mety na nanao tandrevaka ? Kodiarana fiara ve no misy manoratra ana miliara  (7 186 000 000 ariary) ny vidiny dia ekena fa nisy fifandisoana kely fotsiny sady tsy « faute professionnelle grave », kanefa volam-panjakana no avoaka ? Mampieritreritra ity resaky ny minisitry ny vola ity sady mampatahotra. Tahaka izany ve ny fomba fisainan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanam-bola eto Madagasikara ? ! !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT