Actualités

Minisitry ny serasera teo aloha Nohadihadiana teny amin’ny zandary


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Notorian’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason teny amin’ny zandarimariam-pirenena ny minisitra, izay nodimbiasany Andrianjato Vonison.

 Resaka fiaran’ny minisitera, izay nambara fa very no anton’ny fitoriana. Loharanom-baovao iray kosa anefa no nahenoana fa efa 3 volana no namerenana io fiara io, ary efa nisy ny taratasy nifanaovana momba izany na ilay antsoina hoe “décharge”. Ny zoma 10 novambra lasa teo no voaantso sy natao famotorana teny amin’ny tobin’ny zandary eny Itaosy ny tenany. Ambadika hafa natao hamelezana azy izany ny fanenjehana raha mitombina tokoa ilay “décharge” efa natao. Ahiana ho mety tsy hamelan’ny fanjakana ity minisitra teo aloha ity, raha ny fahitana ny raharaha. Vao nesorina tsy ho minisitra ny tenany, dia tsy nahazo seza intsony ary toa nailiky ny fitondrana HVM tanteraka. Nalaza ho tafiditry ny raharaha fanodinkodinana volabe tokony ho an’ny haino aman-jerim-panjakana, ary efa am-bolana maro izay no nidoboka am-ponja ny talen’ny kabinetrany Nivo Ratiarison. Mbola teo amin’ny toerana naha minisitra azy kosa i Andrianjato Vonison, ary na ny mpitondra sy ny mpanohana fitondrana sasany aza, dia efa nanakiana sy sahy nilaza fa tsy afa-bela tamin’iny raharaha iny ny tenany. Efa manomboka mibaribary izao ny mety hanapotehana azy, ary ny minisitra nandimby ny toerany no mijoro voalohany amin’ny fanenjehana. Mety hanara-dia an’i Nivo Ratiarison any am-ponja ve ny tenany sa mba hilamina ihany ny raharaha ? Fomba fanaon’ny mpitondra ny mifampiaro rehefa misy ny toe-javatra tahaka izao, saingy efa hafa mihitsy ity miseho ity. Mety hiafara hatrany amin’ny fanakatonana na fanaovana antsojay ny Soa Radio, izay an’i Andrianjato Vonison ihany koa ity tantara ity. Re amin’izao fa makamaka aina any ambanivohitra ny minisitry ny serasera teo aloha. Andrasana ny tohin’ny raharaha.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT