Nanazava tamin’ny mpanao gazety ny fahitany ny fitsipahan’ny hetsika ho an’ny fahalalahana hiteny (MLE) ilay fifampidinihana an-databatra
boribory izay kasain’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera hapetraka manomboka anio ny minisitry ny serasera, Harry Laurent Rahajason (Rolly Mercia), omaly. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany momba ny serasera ahy, hoy izy, dia mitsangana ho Raiamandreny aho, izany hoe, mitondra izay rehetra mpisehatra amin’ity tontolo ity, ho toy ny zanaka. Ho azonareo rahampitso (TTF : anio), hoy izy, ny mikasika io dinika kasaina hatao io ary afaka adidy amin’izay mitsipaka ny fifampidinihana ny tenako. Zava-dehibe ao anatin’ilay lalàna mifehy ny serasera vaovao ny fanafoanana ny famonjana mpanao gazety sy ny tsy maintsy hanatsarana ny fiveloman’ny mpanao gazety, izay tsy rariny raha mandray karama varimasaka lava izao, hoy ny fanazavany.Nanizingizina ingahy minisitra fa porofon’ny fisian’ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety ny fahafahan’ireo mpanao gazety isan-tsokajiny miteny sy manao fanadihadiana amin’ny onjampeo isan’andro, anisan’izany ny mpanao gazety ao amin’ny MLE ka misy fotoana aza efa tena mihoa-pefy izy ireo ao koa ny milaza vaovao diso.Azo ifampiresahana tsara ny ministeran’ny serasera hoy Harry Laurent Rahajason saingy tsy terena kosa izay tsy vonona hiady hevitra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.