Nafanafana teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena omaly. Nampanantsoin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny minisitry ny serasera sy ny fampahalalam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Razafindambo Andrianjato Vonison mba hangataham-panazavana. Nanaiky ho avy ity farany
. Ny nahatongavany anefa no ela dia tototry ny fanankianana sy ny fanontaniana izy. Tsy hita teny amin’i Andrianjato Vonison ilay tsiky mahazatra azy, fa dia maina sady tera-tsemboka. Hany heriny dia nilaza fa manana lehibe ka hiera, mba hialana teny Tsimbazaza niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy notarihin’ny talen’ny kabinetrany Ratiarson Nivo.
Totoafo ny fananankianana
Tsy nisy fandaharam-potoana voafaritra mialoha teny Tsimbazaza raha ny omaly. Nisy anefa andiana solombavam-bahoaka maromaro, izay ireo nanao sonia ny hanonganana ny filohan’ny Repoblika ny ankamaroany, nifampidinidinika tao amin’ny “Cafétériat”. Nitohy tao an-trano fivorian’ny depiote ny dinika ka nivadika ho fivoriam-baomiera itambaram-be. Nandritra izany no niangavian’ireo depiote ny filohan’ny vaomieran’ny serasera hiantso ny minisitra Andrianjato hangataham-panazavana. Ny antony dia noho ny fitanilana amin’ny fanomezana anjara fitenenana amin’ny haino amanjerim-pirenena. Nampiaka-peo ry Naivo Raholdina sy ry Tinoka Roberto, amin’ny fanapenam-bava ao amin’ny TVM ka mitaky ny hanomezana anjara fitenenana azy ireo. Totoafo ny fananankianana, izay naharitra ora iray teo. Lasa fivoriana azon’ny besinimaro natrehina rahateo ny fihaonana. Nilaza ny minisitra Andrianjato fa “vonona hatrany ny hifampiresaka, ary hanarina ny lesoka”. Mikasika ireo fangatahana samihafa indray dia nilaza izy fa “manana lehibe ka hiera” mba hahafahana niala tao Tsimbazaza. Ny amin’izay ho tohin’ny fihaonana indray dia tsy nametra fotoana ny hiverenana ao Tsimbazaza ny tenany. Mihevitra ny hampiantso ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboroboana ny sehatra tsy miankina, Rafidimanana Narson, sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotozafy Dominique, koa ireo depiote taorian’iny omaly iny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.