Actualités

Minisitry ny mponina tany Mananjary Nitsinjo manokana ny vehivavy


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Antomotra ny fankalazana ny fetin’ny vehivavy, eo ambany fiahian’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy.

 Mialoha izay anefa dia efa misy ny hetsika isan-karazany tontosain’ity departemanta ity, ka ny vehivavy ao Mananjary no nisitraka tombontsoa avy amin’ny minisiteran’ny mponina. Nidina tany an-toerana ny minisitra Onitiana Realy sy ny depiote Cathy notronin’ireo manampahefana any an-toerana. Notokanana ny ivontoerana natokana ho fihainoana sy fakan-kevitra mikasika ny lalàna (CECJ), hahafahan’ny vehivavy mametraka fitarainana amin’ny herisetra isan-karazany. Novatsiana solosaina miisa 3 ihany koa izy io. Taorian’izay dia vehivavy miisa 50 no notolorana taratasy fanamarihana ny nahavitana fiofanana momba fanamainana trondro. Nisy ihany koa ny fanomezana fitaovana momba izany miisa 2 mba hanohanana ireo vehivavy sy hananany fizakan-tena amin’ny asa fivelomany. Mba hanomezana endrika sy hikolokoloana ny tanàna, fiaraha-miasa amin’ny kaominana dia nosantarina ihany koa ny asa faobe “Himo” ao anatin’ny 2 andro, ka vehivavy miisa 250 no misehatra azy. Tsy adinon’ny minisitra Onitiana Realy ny nitsidika ny ivontoerana Fanantenana ary nanolotra vary 5 kitapo, bisikitra … Namaranana azy ny hetsika nokarakarain’ny vadin’ireo Ampankajaka, ka nanoloran’ny minisiteran’ny mponina omby hatao nofon-kena mitam-pihavanana mandritra ny fetin’ny vehivavy amin’ny 8 martsa ho avy izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT