Nitana ny teny nomeny i Houcine Arfa fa hitory olona ambony sy manampahefana Malagasy maromaro ary tafapetraka any amin’ny “Tribunal de Grande Instance de Paris” ny 7 febroary lasa teo.
Hatramin’ny omaly 15 febroary izany hoe herinandro aty aoriana izay vao nandrenesam-peo ny minisitry ny fitsarana, Rasolo Elise Alexandrine fa hoe an-dalam-panomanana ny fitoriana an’i Houcine Arfa, hono. Etsy ankilan’izay anefa , tena maro no resy lahatra fa raha te hivoaka madiodio amin`ity raharaha ity izy dia ny mametra-pialana no fahendrena mba ahafahana manokatra fanadihadiana lavitry ny tsindry bokotra momba ilay fiampangana azy ho nandray lelavola 70 000 Euros. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny fitsarana, na eo amin'ny fanadihadiana na eo amin'ny fijerena ny tokony ho fandaminana atao ary fanjakana tan-dalàna rahateo no voizin`ny mpitondra.Tsy ampy ny filazana hoe : “ tsy nandray aho..mahatoky ahy ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra” satria raha samy hanao izany ny rehetra, dia atao inona intsony moa polisy sy zandary mpanao fanadihadiana ; tsy misy liana ny fitsarana intsony ihany koa.Milaza ho tsy meloka amin’ny raharaha kolikoly hanenjehana azy ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma saingy nametra-pialana ihany ary ho avy ny fanadihadiana momba azy. Tsy mba mahatsapa tena mihitsy ary ve ny minisitry ny fitsarana Malagasy ka miala am-pahendrena no sady manaiky hadihadiana e ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.