Nodimandry ny sabotsy teo Rabenindrainy Manohisoa, minisitry ny fitsarana tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier sady efa mpikambana teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Tsy fantatra mazava izay aretina nahazo azy fa ny hany fantatra dia nikiky azy miandalana ihany koa ny aretim-po noho ny fahafatesan’ny vady andefimandriny ny alakamisy lasa teo.Tao amin’ny hopitaly manara-penitra eny Anosiala no namoy ny ainy Itompokolahy rehefa nanaraka fitsaboana nandritra ny andro maromaro. Voatery nahemotra ny fandevenana an’Itompokovavy noho izany raha efa nentina nidina any Tsianolondroa Fianarantsoa kosa ny razana ny omaly. Raha araka ny vaovao farany voaray moa dia hiara-kalevina rahampitso alarobia izy mivady raha tsy misy ny fiovana, fanapahan-kevitra noraisin’ireo zanany enina mianadahy. Ho avy hanatrika izao fandevanana izao ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana. Izahay eto amin’ny gazety Tia tanindrazana dia mankahery ny fianakaviana Rabenindrainy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.