Nandefa fangatahana tany amin’ny Birao mahaleotena misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco momba ny hanaovany fanadihadiana lalina mikasika ilay ampamoaka nataon’ilay Frantsay ho nanome volabe ny minisitry ny fitsarana, tonia mpampanoa lalàna, tale kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana,…
ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) ny 16 janoary teo. Manimba tanteraka ary mandoto ny fitsarana ity raharaha ity na marina na tsy marina, hoy ny SMM. Ny fanadihadiana irery ihany no hahafahana mamantatra ny zava-misy marina sy ireo rehetra voakasika ka hahafahana ihany koa manasazy izay rehetra mety hosaziana araka ny lalàna na ny mpamafy lainga raha tsy marina ilay fanambarana na izay olona nanao tokoa ilay kolikoly raha voaporofo fa nisy tokoa. Mba tsy hahafaty momoka na hahavita ho azy ny raharaha tahaka izao sy tsy hisian’ny tsimatimanota raha tena voasaringotra ao anatin’ity raharaha ity no antony. Na koa mba tsy ho fanasoketana tsotr’izao ny fitsarana fotsiny ireo zavatra voalaza ireo. Noho ny fitakiana dradradradraina mafy toy ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny ezaka ataonay ho fanadiovana ny fitsarana dia tsy ekenay ny fandikan-dalàna ary ny fisian’ny tsimatimanota, hoy ny SMM. Na miezaka manisika aza ny fanjakana HVM fa olona meloka sy tsy tokony hinoan-teny i Houcine Arfa, dia nilaza kosa ny filohan’ny SMM Faniry Ernaivo tamina onjam-peo iray, fa mahagaga ny tsy mampiteny ny minisitry ny fitsarana manoloana iny zavatra iny. Lasa lakolosy tokana ilay izy, ary raha izaho no teo amin’ny toerany tsy nanaiky izany aho satria ny fanjakana Malagasy sy ny fitsarana no afa-baraka, ka tsy hanaiky izahay,…izahay no iharan’ny fitsaram-bahoaka, hoy izy. Tsy tokony hijerena tavan’olona, tsy hijerena hoe “criminele”, fa nisy ny ampamoaka nataon’io olona io, ka tokony handeha ny fanadihadiana, raha ny fanehoan-keviny. Raha tena manana “bonne fois” dia mametra-pialana ny minisitra na miteny aza fa tsy nanao, mba hahafahan’ny fanadihadiana mandeha tsara (terrain neutre), hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.