Actualités

Minisitry ny fambolena Nohadihadian’ny vondrona iraisam-pirenena


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Nanao fitsidihana tamim-pomba fifanajana voalohany ny minisitry ny fambolena sy fiompiana vaovao, Harisson Randriarimanana, teny amin’ny biraony etsy Anosy, omaly,

 ny delegasionin’ny banky iraisam-pirenena notarihin’ny tompon’andraikitry ny asa eto Madagasikara, Coralie Gevers. Araka ny fanazavana, nanadihady mikasika ny tetikasan’ity minisitra vaovao ity no anton-dian’izy ireo ahafahana manohy ny fiaraha-miasa. Noraisina teny an-toerana taorian’izay ihany koa ny solontenan’ny vondrona eoropeanina notarihin’ny masoivoho miasa eto amintsika, Anthonio Benedito Sanchez. Noresahana tao ny tohin’ny famatsiam-bolan’ny vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa momba ny fambolena sy fiompiana FED faha-10 sy 11 mitentina 134 tapitrisa Euro sy ilay tetikasa Casef sy Padaf iarahan’ny vondrona eoropeanina amin’ny banky iraisam-pirenena ihany koa, mitentina 20 tapitrisa Euro.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT